sombiniaina

[ Ajouter un commentaire ] [ Aucun commentaire ]

# Posté le lundi 12 octobre 2009 05:48

lola

TSY AZO ATAO AHOANA

Adaladala ny fitia tsy mifidy izay iantefany
Olona iray efa manan-tompo no nambabo ny foko
Angalarina hatrany ny fiarahanay
Voamaika mamy tsisy ohatr'izany

Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana

Nifankahazo am-po tokoa
Na faly na ory nifanankin-doha
Tsy nifanary sanatria
Izany tokoa angamba no tena fitia
Zareo mpivady ara-dalàna
Nefa izahay nifato-tady tena igagana

Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana

Angalarina hatrany ny fiarahanay
Voamaika mamy tsisy ohatr'izany

Mifankatia tokoa izahay roa
Raràna vaomaika mivaivay ny fitiavanay
Mamy mamy mamy
Mifankatia tokoa izahay roa
Tsy hay norarana sady tsy azo atao ahoana
Tsy azo atao ahoana

# Posté le mardi 20 février 2007 02:58

Modifié le mardi 10 avril 2007 10:53